Sosialy

Boaderozy tratra teny Ambohimalaza Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha


  • Zoma 05 Novambra 2021

Bolabolana andramena na boaderozy 58 milanja 1,5 taonina no saron’ny zandary teny amin’ny Lalàm-pirenena faharoa (RN2) teny Ambohimalaza Distrikan’Antananarivo Avaradrano ny alakamisy 28 oktobra teo.

 Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary avy amin’ny Kaompania Imerina centrale tamina taksibrosy iray mampitohy an’Antananarivo-Fenoarivo Atsinanana no nahasaronana azy ireo, izay notapatapahana ho 1 metatra, nanamorana ny fitondrana azy. Nosamborina avy hatrany ilay tompon'ireo hazo ireo antsoina hoe Velomora Anaclet, 45 taona, ary natao andrimaso. Toa izany koa ny mpamily ilay fiara antsoina hoe Razafindramparany Fetrarivo Niseheno, 36 taona, mpamily ilay fiara. Araka ny andininy faha 13 amin'ny Lalàna 2015-056 ny 03 febroary 2016 mikasika ny famaizana ny fandikan-dalàna momba ny andramena, dia dia nogiazana ny fiara, izany hoe “saisie” fa tsy “fourrière” akory, hoy ny fanazavana. Notohizana tany Fénérive-Est sy Vavatenina, any amin’ny faritra Analanjirofo ny fanafihadiana ka hita fa nangalarin'i Velomora Anaclet sy ireo “dôkera” namany tamina hazo efa efa nogiazana na “saisis” tao amin’ny Fokontany Anjahambe Kaominina ambonivohitra Ampasimbe, Distrika Fénérive-Est ireo hazo ireo. Efa nogiazana hatramin’ny 2015 izy ireo, tavela tamina toerana manokana nanagiazana azy, fa tsy nakarina tany Toamasina. Tsy tany amin’ny tobim-piantsonana no niainga ny fiara, fa tany an-tranon’ilay naka ny hazo, nahafahana namatratra izany. Nitsoaka kosa ireo dôkera izay voalaza fa nokaramaina 500 000Ar tamin’ny fibatana ny hazo, ka mbola karohina amin’izao fotoana izao. Niarahan'ny compagnie de gendarmerie Imerina centrale sy ny DREDD Analamanga nanao moa ny fanafihadiana. Ny ONG Alliance Voahary Gasy kosa no namatsy vola nahafahana nanohy ny fanafihadiana tany amin’ny faritra Analanjirofo, hoy ny fanampim-baovao. Hatolotra ny Fampanoavana anio ireo roalahy voasambotra voalaza anarana etsy ambony ireo, raha toa ka mbola karohina kosa ny namany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT