Sosialy

BNGRC Vonona amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary


  • Zoma 06 Septambra 2019

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny birao nasionaly misahana ny loza na ny BNGRC.

 

 

 

 

Anisan’ny asa imasoan’izy ireo amin’izao  ny fijerena ireo karazana fitaovana napetraka tamina toerana maro. Ho an’ny sambo, ohatra, dia jerena izy ireny raha mbola  afaka hitatitra ireo olona hiharam-boina na tsia mandritra ny fotoana hitrangan’ny rivodoza. Toraka izany koa ireo magazay fametrahana entana izay mbola tena miasa na tsia. Nanatanteraka atrikasa goavana momba ny SAP ( Système d’alerte precoce)  tetsy amin’ny Carlton niarahana tamin’ny PAM sy ny PNUD ny BNGRC omaly, notarihin’ny sekretera mpanatanteraka ny kolonely Elack Olivier. Solontenan’ny minisitera maro no nandray anjara izay hanome ireo tsara ho fantatra rehetra any aminy,  hahafahana mandrafitra ny bileta laharana 0 an’ny SAP. Raha araka ny fanazavana azo mantsy dia nanaiky hamatsy vola ity tetikasa ity ry zareo Japoney nanomboka tamin’ny taona 2017 hahafahana miady amin’ny hanoanana any Atsimo raha nitsahatra tanteraka tamin’ny 2011. Volabe mantsy no tsy maintsy laniana. Hivoaka amin’ny volana oktobra izao ny bileta laharana voalohany an’ny SAP raha tsy misy ny sampona.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT