BNGRC SY NY PAM

Hiara-hiasa hijery ireo lasibatry ny loza voajanahary


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Hiara-kiasa hijery ireo fianakaviana lasibatry ny loza voajanahary ny Birao nasionaly

misahana ny loza voajanahary sy ny PAM na ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo. Nisy ny fihaonana notanterahin’ny tonta omaly, teo an-daniny nahitana an-dRtoa Tania Goossens, tompon’andraikitra eo anivon’ny PAM sy ny tale jeneralin’ny BNGRC nahitana ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja teo an-kilany. Ankoatra ny fifanakalozana traikefa dia vonona ny roa tonta hanatsarana hatrany ny asa sahaniny ho fanampiana ireo lasibatra. Voakasik’izany ireo kaominina 19 isa ao anatin’ireo distrika miisa 9 lasibatry ny rivo-doza Jude tany amin’ny Faritra Avaratry sy Atsinanan’ny Nosy. Olona miisa 5.190 no nitondra faisana tamin’izany raha tsiahivina nahitana fianakaviana miisa 1350. Ny 4.635 tamin’ireo dia fantatra fa avy ao Analanjirofo avokoa raha miisa 545 kosa ny avy ao amin’ny Faritra SAVA. Hanomboka tsy ho ela araka izany ny fifanomezan-tanan’ny BNGRC sy ny PAM ho azy ireo, indrindra fa ny lafiny ara-tsakafo. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny lafiny ara-pahasalamana noho ny mety ho firongatry ny otrik’aretina aorian’ny faharitan’ny rano.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny 2 tonta omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT