Sosialy

BNGRC Nametraka drafitra vaovao hiadiana amin’ny tondra-drano


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Nametraka drafitra vaovao ho enti-miady amin’ny tondra-drano indray ny birao nasionaly misahana ny loza voanjanahary na ny BNGRC.

Omaly no nanatanterahana ny atrikasa mifandraika amin’izany niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tetsy amin’ny Carlton Anosy. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana dia fantatra fa efa manana izany isika hiatrehana ny rivo-doza sy ireo loza mety ateraky ny orambe saingy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro kosa raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Elack Olivier dia tsy maintsy tadiavina hatrany ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa efa miezaka sy manolo-tanana ny BNGRC amin’izao ny Fitondram-panjakana. Misy ohatra ny fividianana fitaovana vaovao toy ny vedety…. hahafahana mamonjy ireo olona tratry ny tondra-drano. Toraka izany koa ny sakafo omena sy hatolotra ireo traboina, ny toerana hametrahana azy ireny….Anisan’ny manohana ara-bola izao fandrafetana drafitra vaovao izao moa ny UNICEF sy ny PAM.
Pati
Legende : Midina ifotony tahaka izao hatramin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny BNGRC rehefa tonga ny tondra-drano
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT