Sosialy

BNGRC Hanatsara hatrany ny fiatrehana ny loza


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Hanatsara hatrany ny fiatrehana ny loza voajanahary miseho eto amintsika ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny Bngrc.

 

 

 

 Raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Charles Rambolarison,  anisan’ireo tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Bngrc tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia somary mitanila ihany ny fiatrehana azy ireny amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny fanentanana. Raha nahatratra 70 isa ohatra ny fanentanana tamin’ny fiavian’ny rivo-doza tamin’ity taona ity dia tsy voaresaka firy  loatra kosa ny tany mikorisa izay mety hamoizana ain’olona mihitsy  raha tsy mitandrina. Nikaon-doha tetsy amin’ny motel Anosy araka izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Bngrc  omaly nitady ny fomba rehetra entina hanatsarana izany. Anisan’ireny ny tsy miankina, ny fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka… Tanjona amin’izany ny hahafahana manao zavatra lavorary hiatrehana ny fiavian’ny loza ka anisan’ireny ny fampitam-baovao haingana sy ny fanentanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT