Sosialy

Black Nadia mpihira Tsy nanadino ireo sahirana manodidina azy


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Tsy manadino ireo olona sahirana manodidina azy, indrindra fa ireo ankizy madinika tsy manan-tsiny i Kantoniaina Ornella Edith Nadia na i Black Nadia mpihira amin’izao taona vaovao 2019 izao.

 

 

 

Tonga nijery ireo ankizy kamboty sy sahirana beazina ao amin’ny SOS Village d’enfants Vontovorona ny tenany ny sabotsy 5 janoary lasa teo. Ankoatra ny fihainoana ny hetahetan’ireo ankizy madinika miisa 132 nandray azy tamin’izany dia tsy hadinony ny nivimbina fanomezana toy ny fotsimbary telo gony, vatomamy 100 fonosana, paty 3 baoritra, savony 4 baoritra niampy lamba firakotra maro isan-karazany. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo ankizy madinika ireo ity mpanakanto iray ity, raha toraka izany koa i Black Nadia izay marihina fa efa diso zatra loatra misehatra amin’ny asa sosialy tahaka izao amin’ny maha renim-pianakaviana azy. Tsiahivina moa fa teny amin’ny La Réunion kely" Ampefiloha no nanaovan’ity mpanakanto iray ity hetsika tahaka izao tamin'ny taon-dasa. Toeran-kafa indray no hanohizany izany izay nomarihiny manokana fa vokatry ny ezaky ny tenany samy irery.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT