Sosialy

Biraon’ny Kaominina mikatona Nahemotra avokoa ny fisoratam-panambadiana


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Nikatona avokoa nanomboka ny alatsinainy 23 martsa teo ireo biraom- panjakana eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ny fokontany sy ny kaominina ialana amin'ny fivorivoriana sy iadiana amin'ny aretina coronavirus.

Ho an'ny fisoratam-panambadiana manokana dia nahemotra avokoa izy ireny. Ho an'ny kaominina Itaosy raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanàna Randrianarisoa Jean Richard dia tsy ilay olona 2 na 3 manatrika no olona fa ilay biraom-panjakana mihitsy no nakatona. Raha sanatria ka misy olona maty araka izany eny anivon'ny faritra dia efa misy olona napetraky ny kaominina hiandraikitra izany fotsiny ary miantso an-telefaonina avy hatrany ny Ben'ny tanàna hahafahana mikarakara ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Ireo tsy afa-miala amin'ny maty ihany araka izany no miandry faty hisorohana ilay famorian'olona izay manafaingana ny fiparitahan'ny otrik'aretina Coronavirus.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT