Sosialy

Biraon’ny Fikambanana Gasy 3M-Fm Antsirabe Tadiavin’ny mpitandro ny filaminana hakatona daholo


  • Talata 24 Jolay 2018

Taorian’ny raharaha nafampana tany Betafo sy tao Avaratsena Antsirabe tamin’ny tapatapak’ity volana jolay 2018 ity dia misamboaravoara be ihany ny toe-draharaham-piarahamonina any an-toerana fa noho ny resaka sy tsaho aelin’ny olon-tsy fantatra dia manjaka be ny fanenjehana fikambanana sy olon-tsotra mahavorivory olona any amin’ireo faritra ireo ankehitriny ka velona ny antsojay maro samihafa.

 Fantatra ary ankehitriny fa nakaton’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny birao’ny fikambanana Gasy 3M-Fm “Gasy Mifampitantana, Mifanavotra ho an’ny Marina sy ny Fiarahamonina Mivoatra” tarihan’ny filoha nasionaliny Randriarimalala Bien Aimé fa noho izy io mahaliana ny olona ny tanjona hanavotra ny mpiara-belona aminy sy ny tetikasa ataony ka lasa be mpiditra ho mpikambana ao aminy. Nisy nitoraka ity biraony tao Ambohimiarivo Antsirabe ity ny faran’ny herinandro teo fa nolazaina hoe Silamo indray ireo mpitarika azy. Mpitandro ny filaminana avy any Andranomanelatra Antsirabe no nanatanteraka ny fanakatonana ary nalaina sy noterena navoaka hatramin’ny vola fitambaran’ny latsakembok’ireo mpikambana voaangona mihitsy aza hoy ny tati-baovao. Mbola mikasa ny hanakatona an’ireo birao rehetra an’ity fikambanana ity ao anatin’ny faritra Antsirabe mihitsy ireto mpitandro ny filaminana ireto.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT