Sosialy

BIANCO Madagasikara Amin` ny alalan` ny finday sy mailaka no handraisana ireo fitarainana


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Manoloana ny hahamehana ara-pahasalamana vokatry ny fihanaky ny areti-mandoza COVID19 eto amintsika dia namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco fa dia miato izany aloha ny fandraisana mivantana ny fitarainana sy fitorohana eo anivon’ny birao mandritry ny fotoana mampanan-kery ny hahamehana. Raisina amin’ny alalan’ny telefaonina, finday, mailaka ary i-toroka avokoa aloha izany, hoy ny fanazavana.

Izany no natao dia ho fampiharana ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena. Ireto no laharana sy mailaka ahafahana mfandray amin` ny BIANCO manerana ny nosy:
Birao isaom-paritra Antananarivo: 033 54 600 00 – bianco@moov.mg
Birao isaom-paritra Toamasina: 033 23 088 23 – biancodtt@moov.mg
Birao isaom-paritra Antsiranana: 033 54 690 49 - biancods@moov.mg
Birao isaom-paritra Toliara: 033 50 670 02 – biancotoliara@gmail.com
Birao isaom-paritra Fianarantsoa: 033 50 670 02 - biancotoliara@moov.mg
Birao isaom-paritra Mahajanga: 033 61 483 50-032 61 483 50-034 81 483 50 – bianco.dtmga@moov.mg

Isan’ny fanontaniana mipetraka anefa ny hoe hanao ahoana marina ny fandrindrana ny fomba fiasa satria hita ihany ny olana ara-teknika maro samihafa amin’ireo laharana an-telefaonina napetrak’ireo sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.Misy no tsy tratr’antso, misy ny maneno fa tsy misy mandray, misy mandray ihany fa mila miandry ela.Ny antony dia satria mety maro be ny antso na soratra mailaka mifanontana ka sempotra ireo fitaovana ampiasaina; izany hoe mila fitaovana tena matanjaka rehefa niditra amina zavata tahaka izao.

J. Mirija sy Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT