Sosialy

Bezeky, Morondava Manomboka ny fanamboarana trano 500 isa


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Manomboka ny asa fanamboarana ny trano fonenana ho ana fianakaviana manodidina ny 500 isa ao Bezeky, Morondava,

hoy ny fampitam-baovao voaray. Mpifindra monina mipetraka ao amin'ny faritra arovana Menabe Antimena no hisitraka izany. Amin'ny alalan'ny tetikasa "Titre Vert" no anatanterahana izany ho fanatsarana ny fiharian'ny mponina sy ny tontolo iainana. Santatra am-bavarano ity atao ity fa mbola hitohy ny fanatanterahana ny tetikasa. Tany 1500 Ha no hozarazaraina amin'ny mponina voakasiky ny tetikasa. 2 Ha avy no anjaran'ny fianakaviana tsirairay. Ho fanampiana azy ireo amin'ny fanatsarana ny fivelomany dia omena tosika ny mponina amin'ny fanajariana ny tany amboleny. Hojerena manokana koa ny mponina efa nipetraka manodidina ity toerana ity. Fantatra ireo nandritra ny fidinan'ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Menabe, Andriamiarinera Hajanirina Serge, tany an-toerana nijery ny asa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT