Sosialy

Betroka Ifampitadiavana ny vary, 680 Ar ny kapoaka


  • Zoma 19 Jona 2020

Tafakatra 680 Ar ny kapoakam-bary amin’izao any amin’ny koaminina ambonivohitr’i Betroka, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana any an-toerana Razafindrazanaka Ajhad Rdijiji.

 

 

 

 

Hifampitadiavana fatratra io vary io na dia lafo aza no sady mbola hifandrombahana ihany koa hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Noho ny fihenan’ny vokatra niakatra tamin’ity taona 2020 ity no nambarany fa anton’izany. Raha nahavokatra iray sarety mantsy ny fianakaviana iray tamin’ny taon-dasa dia iray sobika sisa tamin’ity taona ity noho ny tsy fisian’ny ranon’orana. Mosarena vokatr’izany ny mponin’i Betroka raha ny nambarany nefa anisan’ireo distrika mpamatsy ireo faritra manodidina azy toa an’Ambovombe, Bekily….Miantso ny Fitondram-panjakana ity Ben’ny tanana ity araka izany mba hijery akaiky io olana ara-bary sedrain’izy ireo io. Mikasika ilay raharaha halatr’omby nitranga tany an-toerana kosa ka nifampifandona ity Ben’ny tanana ity sy ny solombavambahoaka iray any an-toerana dia fantatra fa efa nametraka fitoriana ity Ben’ny tanana ity amin’izao diany eto an-drenivohitra izao. Anisan’izany ny eny amin’ny zandary, ny eny amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly ary ny eny amin’ny sampandraharaha mandray fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika. Miantso ny fanjakana moa ity Ben’ny tanana ity mba handefa olona idina ifotony hanao fanadihadiana any an-toerana mihitsy hahafantarana ny tena marina rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT