Sosialy

Betroka 2 taona tsy nandray karama ireo sefom-pokontany


  • Talata 31 Mey 2022

Distrika faralahy, toy ny tsy misy mihitsy ny distrikan’i Betroka eo anatrehan’ny Fitondram-panjakana hoy ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana Nicolas Randrianasolo.

Efa ho 2 taona mantsy izao no tsy nandray ny tambin-karamany intsony ireo sefom-pokontany any an-toerana nefa 20.000 Ar monja isam-bolana izany. Ny asa anefa eo an-daniny tsy mitsahatra hoy hatrany ity solombavambahoaka ity no sady mafy. Ireny sefom-pokontany ireny mantsy amin’ny ankapobeny no mahita sy mahalala voalohany ny olana iainan’ireo mponina eny ifotony sy mba hitarainan’izy ireo ka anisan’ireny ohatra ny disadisam-piaraha-monina toy ny tsy fahaloavana hofantrano, ny adin’ny mpivady, ny tabataba amin’ny alina misy eny anivon’ny fiaraha-monina….ankoatra ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro toy ny fanamarinam-ponenana, ny fanamarinana maha-tompon-trano….Miantso ny tokony hijerena akaiky ireo sefom-pokontany ao amin’ny distrika ahiana araka izany ity solombavambahoaka voafidy ao Betroka ity. Marihina moa fa sady kely ny karaman’ny sefom-pokontany no mbola tsy voaloha ara-dalana ihany koa izy ireny fa miandry elabe. Mbola novain’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny toerana hakana azy ireny….izay notsindrian’ny ankamaroan’ireo sefom-pokontany fa tranga tena tsy rariny intsony nefa tsy maintsy hiainany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT