Sosialy

Besarety, Soarano, Mahazo 20 miliara ariary ny tetibola hanadiovana ireo lakandrano


  • Alarobia 20 Febroary 2019

Manohy manadio ny lakandrano ao Besarety ny Boriborintany faha-3 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 Efa manomboka izao ny tetikasa goavana iarahana amin’ny Banky Eoropeanina momba ny Fampiasambola, BEI, (Banque Européenne d’Investissement) mitentina 20 miliara Ariary, hanamboarana sy hanavaozana ny lakandrano eny Besarety sy ny manodidina, andalovan’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-3. Miainga any Ambohimahitsy sy Mahazo ny asa amin’izao fotoana, mandalo an’i Besarety ary mifarana eo amin’ny Garan’i Soarano. Amin’ny volana mey izao vao tena handalo eo Besarety boriborintany faha-3 io tetikasa io. Hamboarina ny lalana sy ny lakandrano fandehanan’ny rano, izay miteraka fahasahiranana hatrany ho an’ny mponina sy ny mpampiasa ireo lalana ireo hatramin’izay rehefa tonga ny fahavaratra sy ny oram-be mikija. Tsy miandry ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Boriborintany faha-3 ary ny GRC sampana miahy ny loza voajanahary fa avy hatrany dia nandray andraikitra nanala ny fako manentsina ny lakandrano ao an-toerana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT