Tsikaritra tato ho ato fa efa misy manomboka manangana tsena ny sisin-dalana eny Besarety na dia tsy mbola miverina amin’ny laonina akory aza ny fifamoivoizana, ary tena miditra ao anaty arabe rah any fahitana ilay izy.
Izany hoe azo antoka fa dia efa ho tery sahady ny lalana atsy ho atsy satria ny mpivarotra amoron-dalana no efa naka toerana mialoha.Tanjona anefa ny hoe mba malalaka ny lalana ary samy manana ny anjarany ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra.Tsara ho fantatra fa azo handehanana, afaka 7 andro ny lalana vita amin’ny “chaussée en beton”, miala eo amin’ny garazy David, ka hatreny amin’ny fiolanana “La Rotonde” Besarety. Miala eo indray, ka hatreny amin’ny sampanana Rasalama ny fanamboarana faharoa izay atao toy io koa. Haharitra 30 taona io lalana io, raha kely ary eo amin’ny telo volana ny fahavitan’ny asa, izany hoe amin’ny volana oktobra ho avy izao, izay mirefy 600 metatra ny halavany. Nambaran’ny tompon’andraikitra teny an-toerana fa mahazaka rano tsara ity “chaussée en beton” ity, fa raha toa voadio tanteraka ny lakan-drano rehetra ao ambadiky ny “La Rotonde”, dia tsy hisy intsony ny olana. Nodiovina sy nalana ny fako rehetra tao anaty lakan-drano, izay nahatonga ny fahatsentsenana. Nanao antso ho an’ny mponina sy ny mpandeha an-tongotra ary ireo mpampiasa sy mivezivezy amin’io lalana io, ireo tompon’andraikitra sy ny mpiasa mba hanaja ny fotodrafitrasa. Entanina koa ny mponina tsy hanary fako any anaty lakan-drano na ny fako avy any an-trano any. Ho an’ireo mpitondra moto sy bisikileta kosa, mila manaja ny fe-potoana hahavitan’ny lalana ny mpanamory vao mandeha, fa miteraka fitohanan’ny olombelona eny an-toerana ny fandalovan’izy ireny eny. Aoka ny tombontsoan’ny besinimaro no jerena, hoy ireo mpiasa.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.