Sosialy

Besarety Handray andraikitra amin’ny fanadiovana ny fokontany


  • Zoma 10 Janoary 2020

Saika dibo-drano avokoa ny ankamaron’ny toerana na faritra iva na avo.

 

 

 

Tsy vitsy no tsy nanan-tsafidy fa voatery nirobo-drano toy ny teny Besarety. Efa am-bolana maro anefa no nizotra ny fanamboarana eny amin’ny fokontany Besarety. Miandry ny fahavitany tanteraka ny rehetra tao anaty fotoana maro. Raha ny tetiandro navoakan’ny orinasa dia talohan’ny fety teo no tokony ho vita. Hatreto anefa mbola mizotra ny fanamboaran-dalana, hoy ny teo anivon’ny fokontany. Etsy an-kilany, tsy mihevitra  ny loto ataony ireo mpivarotra amoron-dalana ka manampy trotraka ny loto manentsina ny lakandrano. Nitsikafona ny tavoahangy plastika sy ny fako isan-karazany. An-daniny, mafy ny fitohanana ny fifamoivoizana satria tsy vitsy ihany koa ireo fiara sy moto tavela tanaty rano. Mahatsapa fahasahiranana betsaka ny lehiben’ny fokontany Besarety, Paul Ratsarafara, kanefa hatramin’izao dia tsy misy fanazavana  momba ny famitana ny lalana. Mahatsiaro mijaly ny mpampiasa ny lalana. Naharitra ora iray ny fiavian’ny orambe izay narahana rivotra mahery nitranga ny alarobia tolakandro dia ireny dibo-drano ireny. Namory ny fokontany sy ny manodidina ny teo anivon’ny faritra dia namelabelatra ny zavatra rehetra. Tapaka fa tokony handray andraikitra ny fokontany eo amin’ny lafiny fahadiovana. Tokony hohamafisina avokoa ny rafitra RF2  eny amin’ny fokontany hahafahana manadio ny tatatra mba tsy hisian’ny fako. Manantena sy mino fa tokony hilamina ny tanàna raha vita soa aman-tsara ny lalàna, hoy hatrany sefom-pokontany.

MarignyA.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT