Sosialy

Besalampy Lasibatry ny tsy rariny ny renim-pianakaviana iray…


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Renim-pianakaviana iray antsoina hoe : Soamiadana no lasibatr’ireo tompon’andraikitry ny dinabe tany Mahabe Ambonara, distrikan’i Besalampy Faritra Melaky efa-taona lasa izay. Nitaiza tovolahy iray antsoina hoe le pôta izy.

 

 

Nahita asa hafa anefa i le pôta taorian’izay ka nifindra asa saingy nanao faolaitra. Namono olona nanakarama azy nandroaka omby izy sy ny namany iray ka maty itsy voalohany. Tsy voaloa mantsy ny karamany. Nirotsaka nifehy an’i pôta ny dinabe nandritra izany ka ankoatra ny fanatonana ity farany nandritra ny dimy andro dia noraofin’ireo tompon’andraikitry ny dina ihany ny ombin-dRtoa Soamiadana miisa 106 ary tsy nisy tafaverina hatramin’izao.  Efa noteteziny daholo ireo tompon’andraiki-panjakana tao Melaky saingy nisy nitazona ny dosieny. Ankehitriny nanatona ireo mpandray fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika izy noho ny fahasahiranana mianjady aminy sy ny fanagiazana ny fananany koa andrasana izay mety ho tohiny. Efa miroso amin’ny fampakarana ny dosie mantsy ireto tompon’andraikitra. Nambaran-dRtoa Soamiadana fa nisy tamin’ireo ombiny no efa naparitaka miandalana tamina toerana samihafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT