Sosialy

Ben’ny tanànan’Ampitatafika “Tsy misy idirako ilay olana ara-tany ao Malailay”


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Manoloana ireo karazam-baovao miely momba ny tany ao Anjozoro Malailay ao anatin’ny kaominina Ampitatafika dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ary nilaza fa tsy misy idirany ny momba io tany io na kely aza.

 

 

 

 

Tsy manana am-pahany ao koa ny tenako hoy izy saingy amin’ny maha-raiamandrenin’ny tanàna ahy dia niezaka aho ny namaha ny olana hatrany am-piandohana. Nambarany fa efa natsangana ny komity hanara-maso manokana mikasika io tany io. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia tsy misy tonga eo anivon’ny kaominina ny vaovao mahakasika izany raha tapitra mahare sy mahalala kosa ireo haino aman-jery any an-drenivohitra.  Mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna izay hotanterahina amin’ny 28 Oktobra ho avy izao indray dia nanambara Rado Ramparaoelina fa mety aminy ny fiakaran’ny fandraisana anjaran’ny kandida, araka izay tapaky ny fanjakana. Tsy kilalao mantsy ny mitantana tanana hoy izy. Mikasika ny fampiakarana ny isan’ireo mpanolon-tsaina kosa anefa dia mangataka amin’ny fanjakana ny tenany mba hijanona amin’izao isany izao ihany ny an’ny kaominina ambanivohitra noho ny findangan’ny vola omena ny mpanolontsaina rehefa misy fivoriana tanterahin’izy ireo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT