Sosialy

Ben’ny tanànan’Ambato Boeny “Zava-dehibe ny fahaiza-manentana handoa hetra”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Zava-dehibe ny fahaiza-manentana ny mponina handoa hetra amin’ny alalan’ny fanehoana aminy fa tsy very ny vola arotsany amin’ny kaominina,

 hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Ambonivohitr’Ambato Boeny, Jean Valerien Rakotonandrasana, ary isan’ny antoky ny fahombiazanay tamin’ny taona lasa izany. volan’ny kaominina madiodio no nahavitanay biraom-pokontany manaraka filan’ny mponina miisa 3, hoy izy, tamin’ny herintaona. Manana fokontany miisa 13 izahay fa 2 ihany no nahavitan’ny fitondrana teo aloha birao. Ny fokontanin’Ankaraobato, Betongoa, Ankifatro no vita ary misy efitra miisa 3. Eo koa ny fividiananay jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Voaloha ara-dalana ny karaman’ny mpiasa ary nahazo “13e mois” ny mpiasan’ny kaominina miisa 54 teo tamin’ny taon-dasa. Nividy traktera handraofana fako izahay raha sarety tarihin’omby no nandraofana izany talohan’ny nandraisako fitondrana. Nisy koa moa ny famatsiam-bolan’ny banky iraisampirenena tamin’ny alalan’ny FDL, izay nahavitanay tsena notokanana ny volana martsa teo. Mahazaka mpivarotra miisa 40 eo io ary fanampin’ny efa nisy teo. Nanao tombana farany izahay ny janoary teo ary nanana ambim-bava 280.400.000 ariary. Asa faran’ny sarotra ny resaka fampidiran-ketra ary antony nanajanonako ny fiaraha-miasa amin’ireo sefo fokontany mihitsy izany fa nikarohako mpamory sy mpanentana ara-ketra na “agent fiscal” rehefa nankatoavin’ny filankevitra sy nandalo tamin’ny fanaraha-maso fampanarahan-dalana. Raha 2% teo ny tahan’ny fampidiran-ketra tamin’ny niara-niasa tamin’ny sefo fokontany dia lasa manodidina ny 30% mahery izy izao. Ny ristorin’ny fambolena sy ny tsena moa no tena mampidi-bola ho an’ny kaominina, ankoatran’izay, hoy hatrany ny tenany, satria ny tsena fotsiny izao, izay tena isan’ny anananay ny lehibe indrindra, dia nampiditra teo amin’ny 125 tapitrisa ariary teo tamin’ny taon-dasa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT