Sosialy

Benenitra Kisoa 100 isan’andro no maty


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Mirongatra ny aretina pesta kisoa, na ramoletaka, any amin’ny distrikan` i Benenitra.

 

 

 

 Tao anatin’ny herinandro monja dia miisa 100 eo ho eo isan’andro ny kisoa maty any an-toerana. Mandalo fotoan-tsarotra ny mpiompy kisoa satria fatiantoka goavana ity aretina “jambare” ity araka ny fiantsoan’izy ireo azy. Vokany, voatery amidy mora ny kisoa velona ka milatsaka hatrany amin` ny 5000 ariary ny kilao. Miantso ireo tompon'andraikitra ireo mpiompy manoloana io aretina io ary hitondra vahaolana maharitra mba hisorohana ny vokadratsy ara-tokarena. Na dia efa manao izay tratrany ireo mpitsabo biby any an-toerana dia tsy maharaka izy ireo noho ny hamaroan’ireo kisoa miaraka tratry ny valanaretina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT