Noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani,
izay niditra teto amin’ny faritra Analamanga nandritra ny alina, dia nisy ny rivotra sy orana mahery vaika ka nahatonga fahasimbana tamin’ny trano sy fananana tany amin’ny toerana maro, hoy ny fanambaran'ny ben'ny tananan'Ambato, distrikan'Ambohidratrimo, Sarobidy Rakotondravao. Manoloana izao toe-draharaha izao dia mampahafantatra ny kaominina ambanivohitra Ambato fa ilaina ny fitandremana sy fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay, hoy izy. Ireo mponina izay mipetraka amin’ny trano marefo na amin’ny toerana ahiana hisian’ny loza dia entanina hifindra vonjimaika any amin’ny havana akaiky na hanatona avy hatrany ny tomponandraikitra eny ifotony toy ny fokontany sy kaominina mba hijerena vahaolana hisorohana ny loza mety hitranga. Efa mandray andraikitra sy miara-miasa akaiky amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny kaominina amin’izao fotoana izao mba hiantohana ny fiarovana ny vahoaka sy hanampiana izay traboina. Entanina isika rehetra mba hifampitsinjo sy hifanampy, satria amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao no isehoan’ny firaisankina sy ny fihavanana izay mbola velona sy hita aty ambanivohitra. Mankasitraka sy misaotra anareo vahoaka amin’ny fifanampiana sy ny firaisankina asehonareo hatrany, hoy hatrany ity ben'ny tanana ity omaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.