Sosialy

Bemasoandro Itaosy Trano iray may kila vokatry ny fandrehetana labozia


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Toy ny faritra rehetra dia misedra fahatapahan-jiro matetika ihany koa ny eny Bemasoandro Itaosy eny.

Tokantrano iray no nidiran-doza vokatr’izany ka may kila ny entana tao ambony rihina raha tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Ny zoma alina teo no nitrangan’izany vokatry ny fandrehetana renim-pianakaviana iray labozia tao amin’ny efitrano nisy azy. Nitatra izany ka tsy maintsy niantsoana ny sampana mpamonjy voina. Maromaro ireo vatan-dehilahy tonga namono afo saingy anisan’ny olana nosedrain’izy ireo kosa ny halaviran’ny paompin-drano nahafahana namono ny afo raha ny vaovao azo. Na izany aza nisy ihany ireo entana tao ambany rihina tafavoaka. Hetahetan’ireo mponina eny Bemasoandro Itaosy ny tokony hametrahana sampan’ny mpamonjy voina eny an-toerana hanafainganana ny famonjena raha sanatria ka misy voina tahaka ireny.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT