Sosialy

Bemasoandro Itaosy Olona 130 voapoizina ara-tsakafo


  • Talata 22 Oktobra 2019

Tafakatra 130 ankehitriny ireo olona lasibatra vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Bemasoandro Itaosy ny 13 oktobra lasa teo.

 

 

Maromaro amin’ireo no ankizy ary betsaka ihany koa ny olon-dehibe. Nanomboka tamin’io alahady io no narary ireo olona teny  Bemasoandro Itaosy ka hatramin’ny talata 15 oktobra, hoy ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena eny Ambohidrapeto Itaosy Atoa Raniriarison Claude Olivier. Nisy tamin’ireo no nanatona dokotera tsy miankina. Vokatry ny fihinanana “ovy nendasina”sy“nem” no nahatonga ny loza niampy“compose”. Nihamafy ny toe-draharaha ka nalain’ny mpitandro ny filaminana tao  an-tokantranony ilay renim-pianakaviana mpivarotra tamin’ny herinandro teo, ilay voalaza fa tena tompon’ny  tsena. Notanana vonjimaika ity farany noho izany ary niakatra fitsarana tamin’ny sabotsy teo. Rehefa nanadihady ny zava-nisy anefa  ireo mpitsara nandray  an-tanana ny  raharaha dia namerina ity renim-pianakaviana ity indray teo anivon’ny mpitandro ny filaminana mandra-piandry ny valin’ny“analyse”avy amin’ny médecin inspecteur eny anivon’ny hopitaly Itaosy izay  nandray an-tanana ireo olona narary marobe. Mbola ao amin’ity  borigadin’ny zandarimariam-pirenena  ao Ambohidrapeto Itaosy, araka izany, ilay renim-pianakaviana  mpivarotra. Tsiahivina fa efa nakaton’ny kaominina Bemasoandro ilay tsena noho ilay tompony voalaza fa tsy nahazo alalana avy amin’ny kaominina sady tsy mandoa pantanty ihany koa. Raha araka ny fanazavana azo hatrany dia toa  nisy olona iray maty, ity farany izay voalaza fa tsy nanatona tobim-pitsaboana. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT