BEMASOANDRO ITAOSY

Nozaraina akanjo mafana ny zokiolona sy ny ankizy kely


  • Alatsinainy 30 Jona 2025

Nahazo tombony manokana ireo zokiolona sy ireo ankizy sahirana ao anatin'ny

kaominina Bemasoandro, distrikan'Atsimondrano amin'izao vanim-potoanan'ny ririnina izao.Tafiditra ao anatin'ilay loha-hevitra hoe : mifampitsinjo isika no nanaovana ny hetsika, notarihin'ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy. An-jatony ireo nisitraka izany nanerana ny tanana ny faran'ny herinandro teo ka ankoatra ny akanjo mafana dia nisy tamin'izy ireo no notolorana lamba firakotra. Tsiahivina moa fa zazalahy kely am-polony ihany koa no natao didim-poitra maimaim-poana tao amin'ity kaominina ity tamin'io andro io noho ny fahatongavan'ny Fetin'ny Fahaleovantena.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT