Sosialy

Bemasoandro Itaosy Misy manangana indray ilay pylone efa nolavin’ny mponina


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Misy miverina manangana indray raha somary nangingina kely teo aloha teo ilay pylone ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy,

 

 

 distrikan’Atsimondrano rehefa nolavin’ny mponina tamin’ny heriny rehetra. Nitohy nanomboka ny talata teo indray ny fandokoana ilay trano misy azy sy ny fametahana ilay vy be izay tena atahoran’ny mponina iny ka nisy ny hetsika nataon’ireto farany nanoloana ny biraon’ny kaominina mba hampitsaharana izany.  Ankoatra ireo vahoaka madinika mantsy dia ahitana sekoly telo raha kely indrindra manodidina ity trano kasaina hametrahana ilay pylone ity ka tsy vitsy amin’ireo ray aman-dreny ao an-tanàna no velom-panahiana ny amin’ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny fahasalaman-janany sy izy ireo. Raha tsiahivina, efa nisy ny taratasy navoakan’ny kaominina ny 20 jolay taona 2018 mba hampitsaharana ny  fananganana ity pylone ao Bemasoandro Itaosy ity mandrapisian’ny fifanarahana vaovao.  Tsy mbola nisy akory anefa ny fifanarahana, tsy nisy ihany koa ny fakana ny hevitry ny mponina dia niainga indray ny asa ka tsy hanaiky intsony ny mponina, raha ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Raha araka ny fanapahan-kevitra farany moa dia nanambara ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro nanoloana ilay orinasa hanao ny asa sy ny solontenan’ny mponina fa omena herinandro izy mba hieritreretany ary hamoahany didy mifandraika amin’izay.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT