Sosialy

Bemanevika-Sambava Mbola nikiry nanao "Braderie" ireo mpivarotra


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Taitra ny mponina tao Bemanevika Sambava ny alakamisy lasa teo raha nahita ireo fiara nitondra entam-barotra hanaovana ''braderie''.

 


 

Niteraka resabe ity hetsika ity satria toa mifanohitra ny amin'ny efa notapahana teo anivon'ny Faritra Sava. Nahoana no nosakanana ny hetsika sasany, kanefa ity "braderie" ity indray no avela mitety Faritra”, hoy ny fimenomenonan'ny mponina. Ny mpikarakara indray dia manambara hoe “efa kely ny vola am-pelatananay ka tsy maintsy hanao izao izahay fa ny fanjakana tsy hanome fanampiana anay aty lavitra aty. Eto izahay miteny fa tsy tompon’andraikitra amin'izao braderie ataonay izao ny Prefe, sy ny ben'ny tanàna ao Bemanevika. Etsy andaniny, nanamafy ny ben' ny tanànan' i Bemanevika, Be Denis, fa tsy nanome fahazoan-dalana azy ireo ny tenany. Mpikambana mpivarotra eo amin'ny 19 eo no manao izao tsenam-barotra izao nanomboka omaly ka haharitra herinandro.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT