BELOHA ANDROY

Mbola betsaka ireo hotely mahandro sokatra


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Ho lany tamingana ihany ireo karazan-tsokatra arovana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny, raha tsy voafehin’ny

Fitondram-panjakana. Sokatra miisa 199 efa maty ary tapitra noesorina avokoa ny hena ny no tratra tany Beloha Androy ny Sabotsy 09 Septambra teo. Olona 2 mpitrandraka sokatra an-tsokosoko izay lehilahy avokoa no fantatra fa tompon’antoka tamin’izany. Raha araka ny vinavinan’ireo mpanara-baovao sy ireo mponina any an-toerana dia saika hoamidin’izy roalahy ireto amin’ireo hotely any an-toerana ireo sokatra ireo ka tafiditra ao anatin’ny vidiny ny famonoana azy tahaka izao, izay vonona mankany am-bilany avy hatrany. Miisa 201 moa ireo sokatra tratra niaraka tamin’izy ireo saingy ny roa mbola velona. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny Alatsinainy teo moa izy ireo ka fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika. Ankoatra azy mirahalahy tratra ireto moa dia tokony hohazain’ireo tompon’andraikitra ihany koa ireo hotely mpandray henan-tsokatra any an-toerana hahafahana miaro ireny karazam-biby arovana ireny sy manafay azy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende :Efa ny tranony tahaka izao sisa no hita tamin’ireo sokatra miisa 199 efa maty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT