Sosialy

Belo Tsiribihina Nozaraina osy 5 isanisany avy ireo tokantrano marefo


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Osy miisa 175 indray no nozaraina tamin'ireo tokantrano 35 isa sokajiana ho marefo tao amin'ny Distrikan'i Belo amoron'i Tsiribihina, Faritra Menabe, afak’omaly 29 Novambr.

Tohana avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ireo tantsaha mpiompy avy ao amin'ny Kaominina Bemarivo Ankirondro sy Belo amoron'i Tsiribihina izy ireo. Osy miisa 5 ahitana osy lahy 1 sy osy vavy 4 no natolotra ho an’ny isan-tokantrano tamin’izany. Ny DRAE Menabe sy ny Tetikasa AD2M izay notarihin'ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary notronin'ireo solontenam-panjakana avy ao an-toerana no nanatontosa ity fizarana fanampiana ity. Tanjona ny hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fiompiana osy sy hanatsarana ary hampivoarana ny fari-piainan'ireo tantsaha mba hanatratrarana ny vina ho amin'ny fahavitantena ara-tsakafo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo tantsaha nisitraka izany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT