Sosialy

Belalanda Tokantrano 3000 ho vatsiana herinaratra


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Napetraka omaly ny vato fototr’ilay ivotoerana famokarana herinaratra ao Mangily, kaominina Belalanda, distrikan’i Toliara-II. Tokantrano miisa 3 000 tafo no hisitraka ny herinaratra 400 KW vokarina avy amin’ity toerana ity, raha ny fanazavana.

 

 

 

 

Efa manomboka ny asa ka afaka enim-bolana dia hotokanana izany. Ankoatr’izay dia fokontany miisa 50 no hananganana fotodrafitrasa famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro tahaka izao amin’iny Distrikan’i Toliara faharoa iny amin’ity taona ity. Ny Talen’ny fampandrosoana sy ny fotodrafitrasa avy eo anivon’ny Faritra, ny Dr Risite Heriarivelo no nisolontena ny Governoram-paritra Atsimo andrefana, ny Dr Ranoelson Edally Tovondrainy, izay nitarika ny delegasiona nametraka izany ny alatsinainy teo, hoy hatrany ny fanazavana.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT