BEKOTRO MARO HOLATRA

Mitontaly 233 manerana ny Nosy, sahirana ny ankamaroany


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Mitontaly 233 isa ireo bekotro maro holatra eto amintsika amin’izao.

Mihoatra ny 90 taona mahery no zokiny indrindra amin’izy ireo, hita sy miparitaka manerana ny distrika 33 isa. Sahirana ny ankamaroany ka mila tohana sy fanampiana izay tsy amin’ny ankatoky ny 29 Martsa tahaka izao ihany fa mandavan-taona mihitsy. Hanomboka rahampitso Zoma 21 Martsa ny fankalazana ny faha-78 taona nisian’ny tolom-panafahana 1947. Ho antsika eto an-drenivohitra dia etsy amin’ny Kianjan'ny Barea Mahamasina no hanatanterahana izany ka hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ireo be antitra mihoatra ny 65 taona rehetra. Arahin’ny vavaka hatao eny amin’ny fiangonana Advantista Soamanandrariny izany rahampitso Sabotsy 22 Martsa raha eny amin’ny EKAR Andohalo kosa afaka rahampitso Alahady 23 Martsa. Hanomboka ny Alatsinainy Martsa kosa ny fampirantiana eny anivon’ireo Sekoly eto Antananarivo sy ny manodidina. Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana. “Tolom-panafahana, fanilo miampita ho an'ny taranaka ». Io no tarakevitra noraisina mandritra izao hetsi-pahatsiarovana izao.
Pati
Legende : Mila fanampiana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika fa tena sahirana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT