Sosialy

Behoririka sy Analakely Nikomy ny mpivarotra amoron-dàlana


  • Zoma 23 Jolay 2021

Nangotraka ny hetsiky ny mpivarotra amoron-dàlana teto Antananarivo Renivohitra omaly. Tsy nanaiky ny famindrana azy ireo mpivarotra teny Behoririka sy Analakely,

 izay voalaza fa hafindra ao amin’ilay tsena vaovao ao Behoririka. Ny alatsinainy lasa teo no efa nitandahatra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna ireo mpivarotra sasany noho ny resaka antsapaka amin’ny fizarana tapakila amin’ny fisitrahan’izy ireo ny tsena. Tsy nilamina izany ny raharaha matoa tonga tamin’ny fitokonana omaly, ka raikitra ny diabe, fanimban-javatra, fitsofana kiririoka fanakanan-dàlana,… tonga hatrany amin’ny amin’ny hoe: “miala Mr Le Maire”. Natahotra sy nanidy trano ny ankamaroan’ireo toeram-pivarotana lehibe noho ny tahotra hisian’ny fandrobana. Tapaka hatramin’ny fifamoivoizana, nisy ny fifampihantsiana tamin’ny mpitandro ny filaminana, izay efa tonga nanatrika ireo mpanao fihetsiketsehana. Na teo aza ny hetsika sy fikorontanan'ny mpivarotra, nitohy hatrany ihany koa ny fandravana ireo toeram-pivarotana miorina amoron-dalana, teny Behoririka, nataon'ny kaominina. Tsy mahafaly ireo mpivarotra etsy ankilany ny haben’ny tsena etsy Behoririka, izay nofariparitana, ary tsy ampy iray m2 ny iray, fa lehibebe kokoa noho ireny fanaovana sabaka kilalaon’ny ankizy ireny, izay zary lasa fihomehezana. Tena ilaina ny fandaminana, ary tsy hisy renivohitra ao anatin’ny korontana, saingy ilaina ihany koa ny vahaolana tena mahomby mifandraika amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Mitamberina ny fanenjehana sy fanaratsiana ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana raha nanao fandaminana sy nanala mpivarotra amoron-dàlana. Nataon’ny ben’ny tanàna ankehitriny Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany fitaovana aza izany, ka nivoizana tamin’ny propagandy fa ampy izay ny fanaovana tsindrihazolena ny mpivarotra amoron-dàlana. Ny vava no tsy hatao be, ny mamerina azy no sarotra. Tsy mora ny mitantana sy mitondra rehefa tena tonga eo amin’ny toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT