Sosialy

Behoririka Nangina tanteraka ny tanàna


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Fepetra noraisina eto Antananarivo Renivohitra ny tsy fahafahan'ny rehetra mivoaka ny trano ho fifehezana ny fipariahan'ny valanaretina coronavirus. Maro ihany ny toerana tsy ahitana olona mbola mifamezivezy, indrindra fa ny tapany maraina. Isan'ny be olona ny eny Behoririka, saingy nangina tanteraka.

Anisan'ny toerana misy mponina tena manara-dalana izany eny, saingy omaly atoandro dia gina tanteraka. Voaray ny hafatra raha ny teny aloha no jerena. Nangiana ohatr'ireny tanana nivoaham-paty ireny, tsy tahaka ny nahazatra hatramin'izay. Zava-dehibe izany, ary hita ho efa manaiky lamina ny olona rehefa tena henjanina ny raharaha. Ny tokony ho tonga ao an-tsain'ny rehetra, dia ny ainy no harovana. Mafy ny mitsahatra amin'ny asa aman-draharaha, saingy tsy maintsy misy safidy raisina hitandroana ny aim-bahoaka. Na izany aza dia tokony hisy vahaolana ara-tsosialy ho an'ny rehetra aroson'ny mpitondra, fa tsy ho ana ampahan'olona na ampaham-piarahamonina ihany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT