BEBE RAZANAMPARANY MARIETTE

Bodoin’ny zanany vavy ny tranony, mangataka fanampiana


  • Talata 12 Martsa 2024

Efa 80 taona Bebe Razanamparany Mariette izay monina ao Andoharanofotsy Atsimondrano

amin’izao fotoana izao. Tena manana olana goavana anefa izy efa ho 2 taona izao. Nandritra io fotoana io mantsy no nivezivezeny teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy noho ny filazany fa nobodoin’ny zanany vavimatoa ny tranony izay etsy Andoharanofotsy ihany. Raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly dia tanim-panjakana nangatahiny tamin’ny taona 1993 no nananganany io tranony io ary nahazo alalana hanorina izy nandritra izany. Mba nihantra io zanany vavimatoa io anefa Rabebe taty aoriana ka nalainy nipetraka tao aminy itsy voalohany no sady nivarotra. Mbola tsy niteraka io zanany vavy io tamin’izany raha araka ny fanazavany. Taty aoriana anefa dia nivadika ambony ambany ny tantara izany hoe : nanomboka tamin’ny taona 2022. Nalain’io zanany vavy io mantsy ny tranon-dRabebe rah any filazany ary nilaza taminy mihitsy hono itsy voalohany fa raha manana 1 tapitrisa Ar hiadivana aminy Rabebe dia mba manana 2 tapitrisa Ar izy. Talohan’io tranga io anefa hoy hatrany Rabebe dia nilaza taminy io zanany vavy io fa mitady hirodana ilay tranony ka tokony hamboarina. Voatery nanao antoka ny tanimbary izay lovany tamin-dRainy Rabebe vokatr’izany nanamboarany ilay trano ary ao anatin’ny 5 taona vao vita izany. Nomarihin-dRabebe moa fa telovavy ny zanany ary tsy mbola nizara lova mihitsy izy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny raharaha araka izany ny tenany. Niakatra fitsarana omaly Alatsinainy 11 Martsa moa ny raharaha ka fantatra fa dia nihemotra amin’ny 15 Aprily ho avy izao indray.
Pati
Legende : Izy no Bebe Razanamparany Mariette !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT