Sosialy

Bebe Razafy Handray 127 taona, mbola salama tsara


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Ray aman-drenibe antsoina hoe Razafy, fantatry ny maro amin’ny hoe Bebe Razafy,

 

 

 

 

 

 no handray 127 taona amin'ity taona 2021, raha ny hita ao amin’ny karam-panondrom-pireneny. Mbola salama tsara. Afaka miresaka ary mbola mahita tsara avokoa ny masony. Tsy mbola nampiasa solomaso izy hatramin'izao ary mbola fantany avokoa ireo zanaka aman-jafiny. Ao Mangidihidy, Fokontany Ampangabe, Kaominina Ankarinoro, Distrika Fandriana no misy azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Nirary soa ny rehetra izy ary nampita hafatra fa tsy misy afa-tsy ny fifankatiavana tsy misy fiatsaraham-belatsihy ihany no maha-ela velona. Aza atao, hoy izy, ny an-dolom-po dia milamina ny fiainana. Nanentana ny rehetra tsy hihinana sakafo matavy be matetika sy hidoroka zava-mahadomelina ihany koa izy fa ireny no maha fohy andro iainana, hoy izy. Azo iresahana tsara i Bebe Razafy fa mila mitondra vola kely izay mamangy azy hividianany sakafo kely, hoy hatrany ny mpampita ny hafatr’i Bebe Razafy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT