Sosialy

Beahitse Ampanihy Andrefana Mahatratra 800 Ar ny vidin’ ny rano iray bidon


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Hifampitadiavana ny rano fisotro madio any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Beahitse distrikan'i Ampanihy andrefana.

Vidiana 500 ka hatramin'ny 800 Ar ny rano iray Bidon miloko mavo raha misy ary mbola handehanana dia an-tongotra lavitra ihany koa ho an’ireo tsy manana boreta. Ankoatra izay dia fantatra maizina tanteraka ihany koa ny tanana ka ahiana hanjaka ny tsy fandriampahalemana. Tsy misy sahy mandeha mivoaka intsony ny mponina raha vantany vao migadona ny amin’ny 06 ora hariva koa hangatahin’izy ireo ny hametrahana herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro ao Beahitse. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Tamaentsoa, distrikan’i Betioky Atsimo kosa dia fantatra fa nahazo fefin-drano mirefy 260 m sy digy diarovana bekotika mirefy 96 m miampy lakan-drano mirefy 2000 m ny mponina izay hanondraka velaran-tany 540 ha. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny PAM sy nt fitondram-panjakana no nahavitana izao foto-drafitrasa izao ka tokatrano miisa 8.200 no hahazo tombontsoa amin’izany. Marihina moa fa izany no natao dia mba hahafahan’ny isan-tokantrano milofo tanteraka amin’ny fambolena hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahazo ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Na ny vehivavy aza mitaona rano amin’ny borety any Beahitse
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT