Sosialy

Basy atifi-kavana ny an’ny FAO Tsy hisy firenena mandroso anaty tsy fanjarian-tsakafo


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Tsy misy firenena mandroso raha toa ka mbola miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo sy fanjifana sakafo tsy ara-pahasalamana sy tsy madio »,

hoy ny Solotenan’ny FAO (Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena) eto Madagasikara - Comores - Maurice - Seychelles, Mbuli Charles Boliko, omaly, nandritra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana sy ny FAO notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy. Vonona, hoy izy, ny FAO ny hanohana an’i Madagasikara hanamafy ny fametrahana ireo fenitra iraisam-pirenena ho tombontsoa sy fiarovana ny mpanjifa. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ireo fitsipika momba ny fifanakalozana ara-barotra mikasika ny sakafo na eto an-toerana na eo amin’ny tsena ivelany izany. Nanatanteraka ny fanaovan-tsonia, andaniny ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny fanjifana, Rakotondramanana Onja Miandry izay nisolo tena ny Minisitra sy ankilany ny Solontenan’ny FAO, Mbuli Charles Boliko. Namafisin’ny Sekretera Jeneralin'ny ministera fa mifanandrify tanteraka amin’ny lalan-tsaina ho fiarovana ny mpanjifa ity fanohanana ataon’ny FAO ity. Ary indrindra koa manome vahana sy lanja bebe kokoa ny famokarana anatiny sy mampirisika ny mpamokatra eto an-toerana amin’ny fifaninanana ara-barotra eo amin’ny tsena.
Nangonin’i Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT