Sosialy

Basket FIBA Afrique Hanolotra fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara


  • Alarobia 13 Mey 2020

Ankoatra ny fiofanana hampitain-davitra andiany faharoa nomena an’ireo « officiels techniques de table » nanomboka ny 27 aprily ka hatramin’ny 27 mey

 

 

2020 ho avy izao dia manana vinavina hampiofana an’ireo kandidà ho mpanazatra sy mpitsara basikety niveau 1 koa ao anatin’ny fiatoan’ny fifaninanana rehetra noho ny ady atao amin’ny covid-19 izao ny FIBA Afrique. Anjaran’ny federasiona isan’isany aty Afrika no manome anarana mpiofana 20 ka hatramin’ny 20 hanaraka izany fampiofanana « pratique » mivantana amin’ny alalan’ny aterineto alefa amin’n y « vidéo conférence ». Olona manana solosaina na “tablette” ary fifandraisana amin’n yaterineto, araka izany no azo fidiana hanaraka ny fiofanana izay hotarihan’ny FIBA Afrika manodidina ny « module » 4 ao anatin’ny adin’ny iray isan’andro mandritra ny 5 andro (alatsinainy, talata, alarobia, alakamisy ary zoma). Ny fampiofanana fampiharana kosa dia ho tanterahina rehefa misokatra indray ny fifaninanana rehetra. Fanampiny ho an’ny fampiofanana an’ireo mpitsara dia tsy maintsy efa manana traikefa fitsarana basikety nandritra ny 5 taona izy ireo ary eo anelanelan’ny 21 ka hatramin’ny 31 taona. Ho an’i Madagasikara manokana dia fantatra fa mpanazatra miisa 20 (12 lahy, 8 vavy) ary mpitsara basikety 25 (lahy 21, vavy 4) no hanaraka an’ireo fiofananana ireo. Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT