Basket 3x3- Lalao Olaimpika

Mbola tsy manary toky ny Ankoay


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Mbola misy dia misy ny fanantenana ho an'ny Ankoay 3x3 lehilahy handray

anjara amin'ny Lalao Olaimpika any Paris amn'ny taona ho avy. Mbola misy tokoa mantsy ny fifanintsanana farany hatao any Debrecen, any Hongria ny 16 la hatramin'ny 19 may 2024. Ary na mbola tsy manomboka aza dia efa miresaka ny maro fa mety ny Malagasy no ho tafita amin'ireo satria efa tsy misy Amerikana, Sinoa ary Serbe intsony amin'ireo mpifaninana. Mbola rahateo fiofanana avo lenta irasain'ireo sangany aty Afrika ny 27 janoary ka hatramin'ny 2 febroary 2024 izao. Tsy kitoatoa io fiofanana io fa ilay Serbe Danilo Lukic no mitarika azy. Ity rangaha ity no angady nananan'ny Serbe ny ivo toerana fiofanana any Serbia izay sangany eran-tany. Efa nanofana ny Ankoay koa i Danilo Lukic ity talohan'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany tany Autriche farany teo. Ary hiavaka ity fotoana any Tunis ity satria hisokatra ho an'ny mpanazatra ihany koa. Mbola hitombo traikefa indray izany i Deda Randrianarivelo ary mbola vao maika ho mafy ry Elly, Arnol, Rick Ley ary Livio. Raha tsy hanova mpilalao indray angamba ny federasiona. Nefa hoy ny fitenenana hoe tsy soloina izay ekipa efa nandresy.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT