Sosialy

Barazin’ny « Jiro Kanto » ao Androkabe Fanamboarana petatoko, rava sahady


  • Talata 19 Aprily 2022

Isan'ireo fotodrafitrasa ravan’ny rivo-doza « Anna » ny tohadranon’Androkabe, izay iankinan'ny famokarana herinaratra manana tanjaka 1.500 Kwh mamatsy tanàna sy kaominina sy tanàna miisa 24 any Imerimandroso-Alaotra

 sy ny manodidina. Marihina fa ny orinasa antsoina hoe: « Jiro Kanto » no mitantana azy io, izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeana. Ny « BETC Nanala » kosa no nahazo ny tsena taorian’ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena nanao ny asa, ary ilay filoha Tale jeneralin’ny « BETC Nanala » ihany no mitantana ny « Jiro Kanto ». Tamin'ny 25 martsa 2022 no nirodana tanteraka ny toho-drano manosika ny rano hanodina ny « turbine » vokatry ny rotsak’orana be loatra, ary tsy misy fanarenana hatramin’izao. « Mitentina 5.300.000 euros ny totalin’ny teti-bidin’ny fanamboarana io foibe famatsiana herinaratra io, kanefa kitoatoa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa izay nambara fa haharitra an-taonany maro", hoy ny fanamarihana.« Barazy » izany ve dia vato « moellon » ohatr’ireny no nandrafetana azy, kanefa rian-drano matanjaka be no tohanana hahazoana manodina « turbine » mpanome herinaratra ? Ny « Jiro Kanto » no orinasa niandraikitra ny fitrandrahana io foibe famatsiana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano (centrale hydraulique) any amin’ny faritra Alaotra mangoro io. Tombanana ho tokan-trano miisa 8.000 any ho any no nisitraka io herinaratra io, ary mahatsiaro tena ho voa mafy ankehitriny.Tsy tafiditra tao anatin’ny fifanarahana ve ny fikojakojana sy fanamboarana ny simba raha sendra fahavoazana noho ny loza voajanahary toy izao. Inona no andraikitry ny orinasa sy ny filoha tale jeneraliny fa very fanahy mbola velona ny mponina nilaozan’ny hazavana kanefa mpanjifa mahaloa vola ara-dalàna ? hoy hatrany ny fitarainana. Dia sanatria hiandry an’i Paoly eo tokoa ve ny mpanjifa kanefa tombanana ho tsy nisy fatiantoka hatramin’izay taona vitsivitsy nihodinan’ity orinasa ity izay ? hoy hatrany ireo mponina. Manomboka mandeha ny antso avo fa tsy vola adala tompo ny an’ny mpamatsy vola ka hiandrasana Bianco sy Samifin hitsirika ve vao hihetsika ny ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa ? Mitaky vahaolana ireo mpisitraka io angovo io mialohan'ny hidiran'izy ireo amin'ny dingana lalindanina kokoa.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT