Sosialy

BAR tsy nanara-dalàna Olona 22 no nosamborina teny 67Ha


  • Talata 11 Jona 2019


 

 

 Mbola betsaka amin’ireo toeram-pivarotana toaka eto amintsika na BAR no tsy manara-dalàna. Hatreto mantsy, indrindra tao alohan’iny fetin’ny Pentekosta iny dia mbola misy hatrany ireo mivoha mihoatra ny amin’ny 9 ora alina. Nidina ifotony nanao fisafoana nanara-maso azy ireo ny polisy avy eo amin’ny Boriborintany fahafito eny 67 ha ny faran’ny herinandro teo. Nisy tamin’ireo tsy nanara-dalàna no tratra ka olona 22 no fantatra fa notazonina. Nisy tamin’ireto farany no tsy nitondra kara-panondro akory, antontan-taratasy izay tsy tokony hiala any amin’ny olona iray, indrindra raha alina ny andro. Taorian’ity fitiliana ity dia nisy teny amin’ny Rocade eny amin’ny lalam-baovao 67 ha ihany koa ireo mpitandro ny filaminana nanara-maso ireo fiara mifanenjika amin’ny alina sy minia mandeha mafy ka ahiana handratra na hamono olona. Mbola hitohy hatrany ny hetsika, raha ny fantatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT