Sosialy

Bar, boite de nuit, karaoke Misy tena tsy manaja fepetra mihitsy


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Tsy nisy nanampo ny fahatongavan'ny polisy ireo toeram-pilanonana tsy nanaja fepetra.

 

 

Feno olona sady tsy misy manao Arotava no tsy misy manaja fepetra ireo toeram-pilanonana (bar,karaoke,boite) nisokatra tany amin'ny faritra Diana kanefa mbola misy ilay valan'aretina Covid-19 any an-toerana, ary any no tafiditra ao anatin’ny PIC na ny fahabetsahan’ny tranga vaovao amin’izao. Nakaton'ny Polisy avokoa ireo toeram-pilanonana miisa 08 ary nampidirina « violon » ireo tompon-trano satria minia mandika ny fepetra hiarovana amin'ny fiparitahan'ilay valan'aretina. Toy izany ihany koa ny any Toamasina. Nohamafisina ny fepetra satria maro no mihevitra fa efa resy ilay valan'aretina. Samy nanamafy ny fepetra avokoa noho izany ireo Polisy miasa any amin'ny faritra ka raha raisina ohatra ny faritra miisa 05 (Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara). Ho an’ny omaly fotsiny, dia miisa 363 ireo olona nampanaovina asa iombonana rehefa hita fa tsy nanao arotava. Raha ny eto Antananarivo manokana, dia toy ny efa tsy misy valanaretina intsony, mifanaretsaka ny olona, hatramin’ny artista misy efa manao hetsika sy lanonana anaty efitrano any amin’ny boite de nuit, kanefa mbola mbola tsy afa-misokatra izy ireny, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT