Sosialy

Baomiavotse Vahinala Raharinirina "Ny Olona no harena"


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Telo volana latsaka no nandraisan i Baomiavotse Vahinala Raharinirina andraikitra amin'ny maha ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy azy.

 

 

 


 Nahatsapa izy fa ny olona no olana, na koa vahaolana, ho an'ny fanarenana ny Nosintsika. Nilaza izy fa ny olona no mampikatso, mampihemotra, manimba, mamotika, ny ankamaroan'ny ezaka iombonana. Olona ihany koa anefa no manarina, manangana, manatsara, mampijoro, mifarimbona mametraka soa iombonana. Notsipihany fa hatreto dia ilay sokajy voalohany no tena betsaka ary hita amin'ny isan-ambaratongany maro, raha ny fiarahamonintsika no jerena. Misy dia misy ihany koa lay sokajy faharoa, saingy mbola marefo.
Mety misy koa ngamba sokajy fahatelo, dia lay olona mitazana fotsiny ihany, maka sisiny, mizaha ireo sokajy roa. Fanontaniana mipetraka hoy ny ministra: "hatao akory tokoa moa no hampiroborobo be io olona sokajy faharoa io"? "Mety ho vitantsika anatin'ny fotoana fohy ve ny hampamaro isa ilay olom-pirenena sokajy faharoa io"? Inona no tsy ampy hamadihana lay sokajy voalohany sy fahatelo ho sokajy faharoa"? Iriako mba hodinihintsika io fahendrena Malagasy io, hoy Baomiavotse Vahinala Raharinirina.

Legende: Baomiavotse Vahinala Raharinirina, ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT