Sosialy

Baolina Kitra Roro ihany ve no Felix sy Rakotondrabe ?


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Hizara telo ve izany no mpanazatra Roro Félix Rakotondrabe sa voatery hisafidy izy satria dia fifaninanana telo sosona no miandry azy ny 2, 3 ary 4 septambra io.

Re mantsy izao fa lalao voalohany amin'ny fifaninanana CHAN dia hatao ny 1 na 2 na 3 septembra. Ny 4 septambra anefa no hihaona amin'ny Angola ny Barea ao anaty fifanintsanana ny CAN any Côte d'ivoire. Raha tafita amin'ny famaranana ny Lalaon'ny Nosy anefa dia mety hatao 2 na 3 septambra izay mbola Roro koa no mpanazatra. Ny mety hiseho dia ny hoe omena olona hafa aloha ny any Angola ary hpfenoina ireo mpila ravinahitra ary mazava ho azy mila mpanazatra vaovao. Fa ny safidy eo amin'ny CHAN sy ny lalaon'ny Nosy no jo sarotra satria dia ekipa iray io ary tsy misy irika fa mety hiaraka . Ary na dia ho terena hatao ny 2 septambra aza ny famaranana ny lalaon'ny Nosy dia tsy maintsy miatrika ny CHAN ny ampitson'io ihany. Sa ve dia omena an'i Dama ny hitondra ny iray na ny CHAN no marimarina kokoa satria tena afa-baraka tokoa ny Malagasy izay resy matetika teto amin'ity taranja iry .Avadika izany ny rasa ka tsy toy ny tany Maorisy farany hoe ireo tsy nilaina tamin'ny CAN sy Cosafa sisa no hanao Lalaon'ny Nosy.

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT