Baolina Kitra

Manomana fandraisana makotroka ho an'ny Disciples ny ao Betafo


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Nanoratra tantara vaovao ho an'ny baolina kitra ao Betafo ny Disciples FC

izay voahositra ho tompondakan'i Madagasikara. Tantara vaovao izany ary mbola tsy nisy hatrizay ka dia mivonona ny mponina iray manontolo handray ireo mahery fo ny sabotsy izao.Ny tena mahafaly dia ny firaisankinan'ny rehetra tsy voafaritra sy voazarazara ny antoko politika fa ho tonga daholo ireo manampahefa na tatohin'ny minisitry ny Fanatanjahantena Ramonjavelo ary ahitana ireo ankolafin-kery rehetra misy aty amin'ny faritra. Fanamby napetrakan'ny filoha mpanorina ny Disciples FC izay zanak'i Betafo izao ezaka izao.Izao tokoa mantsy mba afaka mirehareha ny Betafo fa milahatra amin'ireo tanana efa tompondakan'i Madagasikara raha baolina kitra no resaka.Ankoatra an'Antananarivo sy Mahajanga ary Toamasina dia Betafo indray izao no naka ny toerana.Lasa modely aza moa ity Disciples ity satria toa ireo ekipa any Eoropa izay tohanan'ny tanàna iray toa ny Paris Saint-Germain, Olympique de Marseille na Real de Madrid sy Bayern de Munich. Ny mponina ao Betafo rahateo dia efa misalotra ny loko mena sy manga izay loko fanaon'ny Disciples.Amin'ny sabotsy izay mifankahita fa misy fetibe ao an-tanana.Satria mijery ireo marobe mpanohana sy manaraka azy aiza na aiza raha tsy any andafy angamba dia tsy maintsy ho faty ihany ny omby.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT