Sosialy

Baolina kitra Hifandona ny Barea sy ny Black Star-n’i Ghana


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara noho ny fanampiana lehibe avy amin’ny Filoham-pirenena, hoy i Nicolas Dupuis Mpanazatra ekipam-pirenena.

 

 

 Tsy i Burkina-Faso no hifanandrina amintsika, araka ny resaka izay efa niely tao anatin'ny andro vitsivitsy izay fa ny Kintana mainty na Black Star ekipam-pirenen'i Ghana izay laharana faha-46 amin'i filaharan'ny FIFA ary laharana faha-7 aty Afrika, hoy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Marihina fa faha-92 maneran-tany ny Barea, ary faha-21 aty Afrika, faha-3 ao anatin’ny Cosafa, raha ny filahanarana farany navoakan’ny FIFA ny 18 septambra teo. Hatao any Turquie ny 12 oktobra ny lalao, izay fanomanana ny fifanintsan’ny CAN hifandonana amin’I Cote d’Ivoire ny 9-17 novambra. Raha ilay lalao izay nokasaina hatao any Maroc dia eo amin'ny 100.000 euros ny saran’ny fandaniana ka tsy ho zaka izany. Ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma 9 oktobra 2020 dia fanazaran-tena ao Luxembourg ary faranana amin'ny « match d'entraînement » amin'i Swift Hesperange (D1) ao an-toerana. Ny sabotsy dia miainga ho any Turquie manohy ny fanomanan-tena ary ny alatsinainy 12 octobre 2020 izay « journée FIFA » no hanatanterahana ny lalao amin'i Black Star Ghana izay arahintsika mivantana amin'ny Tvm, hoy ny mpazatra Nicolas Dupuis. Mahakasika ny fampitaovana (équipements) dia ny Telma izay mpanohana mafana fo hatramin'izay no hiantokana ny lany rehetra ary mbola ny Garman akanjo hisaloran'i Barea amin'io izay inoana fa io no farany hitondran'ny ekipam-pirenena azy. Isaorako Andriamatoa Filoham-pirenena, Andriamatoa Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahanatena sy ireo mpikambana 7 ao amin'ny komity mpanatanteraka ny FMF. Tsy hadinoko ianareo mankafy ny Barea, hoy hatrany ity mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT