Sosialy

Baolina kitra - Barikadimy Cosfa Analamanga 2- 2 ekipa voafantin’Atsinanana


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Nirava ady sahala 2-2 omaly alahady 19 janoary tany amin’ny kianja sentetikan’i Barikadimy Toamasina ny ekipan’ny Cosfa Analamanga sy ny ekipa voafantin’ny Ligin’Atsinanana nahita betsaka ny

 

 

mpilalaon’ny Tia Kitra sy ny Club M. Samy mbola mandray anjara amin’ny fifaninanana Pro-League Malagasy 2019/2020 avokoa ireo ekipa 3 voatonona ireo ary ho fanomanana indrindra ny dingana faharoa amin’izany fifaninanana avo lentan’ny baolina kitra Malagasy izany no antony nikarakaran’ny ligin’Atsinanana sy ny ekipan’ny Cosfa Analamanga an’ity lalaom-pirahalahiana ity. Samy afa-po, araka ny vaovao voaray avy any Toamasina ny roa tonta, satria afaka hampakarana ny lentan’ireo mpilalao tsirairay avy tokoa raha ity lalao notanterahina omaly ity. Ho henjana, araka izany, ny fiatrehana ny dingana faha-2 amin’ity Pro-League Malagasy ity hanomboka amin’ny volana febroary ho avy eo satria dia izao hita efa miomana fatratra izao daholo ny ekipa mpifaninana rehetra. Ny Cosfa Analamanga moa dia miomana fatratra hitazana ny laharana voalohany vonjimaika eo am-pelatanany  eo amin’ity Pro-League ity ankehitriny. Marihina fa tamin’ny lalao tany Barikadimy Toamasina omaly ny ekipa voafantin’Atsinanana no nampiditra ny baolina voalohany izay nosahalain’ny Cosfa 1-1. Ny Cosfa kosa indray anefa no nitarika 2-1 avy eo vao io nosahalain’ny ekipa voafantin’Atsinanana 2-2 io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT