Sosialy

Banky sasany eto Antananarivo Tafahoatra ny fampijaliana mpanjifa


  • Talata 14 Desambra 2021

Miha mitombo isa ankehitriny ny olona mitaraina amin'ny fomba fiasa eny amin'ireo masoivohona banky sasany eto Madagasikara.

 Ny filaharana efa tena henjana, misy banky sasany mbola "caisse" iray monja no miasa, na dia efa fantatra aza fa filaharam-be foana vao manomboka ny faha-20 n'ny volana hitsahina satria manomboka eo no mandray karama ny mpiasam-panjakana, arahin’ny tsy miankina. Ny GAB (guichet Automatique de Billet) maro no manondrana, na tsy misy vola, na milaza fa tsy misy “réseaux”, na maty tsotra izao dia hoe mbola miandry ny teknisianina, ao ny tsy misy ny karazana tapakila kely na “ticket” mirakitra ny fikirakirana ara-bola natao sy ny kaonty,… Handrotsaka vola milahatra be, haka vola milahatra be. Velom-panontaniana ny mpanjifa : fa tratry ny krizy ihany koa ve ny banky sa tena tsy fahaiza-mandamina asa ilay izy ? Raharaha ara-barotra tahaka ny rehetra ny Banky, ary sehatra tsy miankina amin’ny ankapobeny. Mikirakira ny volam-bahoaka, karama,… ary tsy maimaimpoana io fa misy sarany, kanefa dia miharatsy hatrany hatrany ny tolotra, tsy misy fanatsarana, tena be loatra ny “fanalikana” sy ny tsy firaharahiana mpanjifa. Mbola adihevitra hafa ny resaka zana-bola raha mindrana. Ny mpanjifa andrianina na “les clients sont rois”, hoy ny fomba fiteny, saingy ny antsika eto toa mivadika hoe: “ny mpanjifa alikaina”. Volanao izao no alainao, saingy tena mampikolay ny fijaliana. Mbola havoakantsika eto ny anaran’ireo banky sy ny masoivohony tena mampikolay aoriana kely,… toy ireo eto Antananarivo sy ny manodidina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT