Sosialy

Banky Iraisam-pirenena Namoaka 100 tapitrisa dolara hiatrehana ny kere


  • Zoma 18 Desambra 2020

Nankatoavin’ny filankevim-pitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena tany

 

 

Washington tamin'ny 10 desambra lasa teo ny famatsiana mitentina 100 tapitrisa dolara ho an'ny tetikasa MIONJO. Notanterahina omamy 17 desambra 2020 teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy izany. Ity rafitra ara-bola iraisam-pirenena ity, izay vao ny alarobia teo no nanao tatitra fa nitombo 1,4 tapitrisa ireo fadiranovana eto Madagasikara, ka mila ampiana ny firenentsika. Ny tetikasa MIONJO dia hiompana amin'ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, indindra ny fahazoan'ny vahoaka misitraka rano fisotro madio, any amin'ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana, raha ny voafaritra ao anatiny. Tanjona ny hahafahan'ireo mponina any Atsimo hanana foto-pivelomana maharitra mba hahaleo tena ary handray anjara amin'ny fampandrosoana maharitra. Laharam-pahamehana amin'ity tetikasa ity ireo vehivavy sy ireo tanora. Nankatoa ireo ezaka sy ny paikady napetraky ny fitondram-panjakana amin'ny ady amin'ny kere any Atsimo ny solon-tenan'ny Banky Iraisam-pirenena, Ramatoa Uwanyiligira Marie-Chantal, ary nanamafy ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena ireo tetikasa fampandrosoana ireo faritra any atsimo ireo, hoy ny Fiadidian’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nankasitraka ny fijoroan'ny Banky Iraisam-pirenena eo anilan'i Madagasikara manoloana ny ady amin'ny kere ny Filoha Andry Rajoelina. "Tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana ho famongorana ny kere any amin'ny faritra atsimo ary ny fifanomezan-tanana sy ny firaisan-kinan'ireo mpisehatra rehetra no antoky ny fahombiazan'ny paikady izay napetraka" hoy I Andry Rajoelina tamin’ny fandraisam-pitenenany. Vao andro vitsy izay no naneho fa hamoaka 100 tapitrisa dolara ny Amerikanina. Efa maro ihany izay famatsiam-bola sy tetikasa voafaritra fa hatao any Atsimo izay, ka irariana mba hisy vokany maharitra amin’izay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT