Araka ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ity volana
Septambra 2025 ity, mitondra ny lohateny hoe “Reboot Development: The Economics of a Livable Planet”, dia isan’ireo firenena 10 voalohany i Madagasikara amin’ny taha ambony indrindra amin’ny isan’ny mponina miaina anaty fahantrana lalina sady iharan’ny fahasimban’ny tany tena amboy be. Tombanana ho 11 tapitrisa ny Malagasy voakasik’izany. Ao anatin’ny lisitra mitovy amin’i Madagasikara dia ahitana firenena afrikanina maro: Malawi, Mozambique, Burundi, Repoblika Demokratikan’i Congo, Zambie, Yemen, Niger, Rwanda, ary Tanzanie. Ireo firenena ireo izay samy miatrika fahantrana lalina sy fikorontanana ara-tontolo iainana, toy ny fahasimban’ny tany, fikorontanan’ny rano, ary fandotoana rivotra mampidi-doza. Ny fahantrana voatanisa ao amin’ilay tatitra dia fahantrana faratampony, izay manana fidiram-bola latsaky ny 2,15 dolara amerikana isan’andro, araka ny fanitsiana amin’ny « parité de pouvoir d’achat » na ny lafiny fahefa-mividy tamin’ny taona 2017. Midika izany fa tsy ampy ho an’ny sakafo, fahasalamana, fanabeazana, na trano fonenana ny fidiram-bolan’ny ankamaroan’ny Malagasy. Ilay tatitra dia manadihady ny fomba ahafahan’ny harena fototra toy ny tany, ny rivotra, ary ny rano manohy manome fahasalamana, sakafo, angovo, ary vintana ara-toekarena ho an’ny olombelona. Saingy amin’ny toe-javatra misy ankehitriny, dia mihena ny fahafahana mitrandraka ireo loharanon-karena ireo, noho ny fikorontanana ara-tontolo iainana sy ny tsy fahampian’ny politika maharitra. Porofo mazava hatrany itony fa tsy mahomby ny fitantanana, miha fadiranovana ny vahoaka sy ny Firenena. Tsy fanamby ara-tontolo iainana fotsiny izany, fa fampitandremana lalina ho an’ny fitondrana. Raha tsy misy fandaharan’asa hentitra sy mangarahara amin’ny fiarovana ny tany, ny rano, ary ny rivotra, dia hihamafy ny fahantrana, hihena ny vintana ara-toekarena, ary hihombo ny fahasimbana ara-piarahamonina. Mila fanovana politika, fampiasam-bola maharitra amin’ny zavatra mamokatra sy miteraka harena, famokarana hampiakatra ny harin-karena fa tsy fanafarana lava, ary fandraisana andraikitra mivaingana fa tsy kabary sy fanamby ivelany fotsiny mandavan-taona. Asa mba mahataitra ny mpitondra be rendrarendra amin’ny zavatra manjelanjelatra mambotry fa tsy mamokatra ve izao?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.