Sosialy

Banky BNI Nampisakafo olona sahirana sy zokiolona 5.800


  • Talata 15 Desambra 2020

Tsy manadino ireo olona sahirana ny banky BNI Madagascar amin’izao

 

 

 

ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Olona sahirana manodidina ny 5.800 isa no nozarain’izy ireo sakafo maimaim-poana ny herinandro teo manerana ireo Boriborintany 6. Nitarika izany ny tale jeneralin’ity banky iray ity Atoa Alexandre Mey izay nanambara fa zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mpiara-belona ny fahaizana mifampitsinjo tahaka izao. Ho an’ny Boriborintany faharoa ohatra dia zokiolona sahirana miisa 2.000 no nozarain’izy ireo sakafo masaka sy mafana, hetsika niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Notsiahivin’ny tale jeneralin’ny banky BNI moa fa niezaka hatrany izy ireo nanampy ny mpiara-belona na dia tamin’ny fotoana niparitahan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika aza. Miezaka manome lanja ny Ray aman-dReny nahitana masoandro ihany koa izy ireo amin’izao ankatoky ny fety izao. Tsiahivina moa fa tsy ho an’ireo mponina eto Antananarivo ihany ity hetsika ity. Olona tsy manan-kialofana miisa 200 ohatra no nampiana teto Antananarivo, zaza kamboty miisa 200 tany Mahajanga raha miisa 800 tany Fianarantsoa. Miisa 400 ihany koa ireo zaza kamboty nahazo fanampiana tany amin’ny faritra atsinanana raha 400 hafa tany amin’ireo toerana misy ity banky iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT