Sosialy

BANKY BNI Hanampy ireo mpandraharaha ho avy eny amin’ny FIM


  • Alarobia 22 Mey 2019

Hotanterahina manomboka rahampitso alakamisy 23 mey eny amin’ny Forello expo Tanjombato ilay hetsika “Foire Internationale de Madagascar”, karakarain’ny agence de communication la premiere ligne.

 

Mpanohana manokana ity hetsika ity moa ny banky BNI Madagascar izay mankalaza ny faha-100 taona niorenany amin’ity taona 2019 ity. Hanana tranoheva miavaka eny an-toerana izy ireo ka anisan’ny tanjony ny hanampy ireo mpandraharaha ho avy eny an-toerana sy ireo olon-tsotra maniry ny hindram-bola. Hivoaka ao anatin’ny 24 ora mantsy ny volan’izy ireo izay nahafeno ny antontan-taratasy ilaina amin’izany raha mbola hihena hatrany amin’ny 5 % ihany koa ny tahan-jana-bola alaina aminy. Ankoatra izay dia fantatra fa hanohana akaiky ny ekipam-pirenena Barea ihany koa ity banky iray ity ho fampiroboroboana ny sehatry ny fanatanjahantena.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT